<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>W.A. Ogden</author>
<hymn_number>709</hymn_number>
<title>Jehovah o, mba mihainoa! FFPM709</title>
<lyrics>[V1]
 Jehovah ô, mba mihainoa !
 Indreo misy olon-droa izao
 Izay manam-pikasana soa
 Hanorin-tokantrano vao :
 O ! tahio, O ! tahio,
 Mba ho tokantrano soa
 madio
 O ! tahio, O ! tahio,
 Mba ho tokantrano soa !

[V2]
 Dia angatahinay, ry Ray
 Ny fitahianao ho azy ireo
 Ho nofo sy fanahy iray
 Ka hifanaja hatrizao.
 O ! tahio, ..sns.

[V3]
 Fenoy ny fiadananao
 Ny tokantranon'izy ireo
 Ka mba hamirapiratra ao
 Ny fivavahana Aminao.
 O ! tahio, ..sns.

[V4]
 Tahio ireo, ry Tompo soa,
 Mba ho mpivady marina,
 Hitana sy hanaja koa
 Ny fanekena masina.
 O ! tahio, ..sns.

[V5]
 Tahio, hifampitantana
 Mandritra ny fiainany,
 Ka dia ny fahafatesana
 No fetra isarahany.
 O ! tahio, ..sns.

[V6]
 Ho maro fara anie ireo
 Ka mba hitaiza ho Anao
 Ireo solofo ho tia Anao,
 Hanompo sy hanaja Anao.
 O ! tahio, ..sns.</lyrics>
</song>